Teny iditra mifihifihy (fihifihy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mangovitra, mihoron-koditra: Mifihifihin' ny hatsiaka ity zaza ity fa rakofy lamba mafana
Mihararetra: Vao nambanako izy dia nifihifihy
Mangaihay, kepoka: Nifihifihy teo anatrehan' ny mpitsara ilay voampanga [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To shiver, to shudder, to quake [1.2]
Ohatra 
1Sady mibaiko izy, no manontany, no manompa, ka i Lidy mifihifihy no manaraka azy eto aoriana sy manao izay lazainy. [2.470]
2Na ny omby aza no karavasiana, hita fa mifihifihy, taitra ary mihorona ny hodiny nandalovan' ilay dian-karavasy. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifihifihy
Ny lasa : nifihifihy
Ny hoavy : hifihifihy
Filaza mandidy : mifihifihia

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20