|
|
|
|

Teny iditra1  mihalohalo
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Mihantona, mihebibehy eo ambony loha: Toa mahita zavatra mihalohalo eo ambony lohany foana, hono, izy
Miahanahana, tsy mandroso tsy mihemotra: Aza mihalohalo eo an-tokonana eo ianao fa midira raha hiditra
Misalasala: Mbola mihalohalo ihany ve ianao na hiara-kitsangantsangana aminay na hiarakandihy amin-dry Sahondra
Mijanona anelanelany, tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa: Nihalohalo tamin' ny adin' ny Frantsay sy ny Alemanina i Soisa
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] to move, to be suspended, to look at from a distance, to be insufficient to fill a space; to be at liberty, to go about here and there.
Ohatra  5  [2.471] Teo amin' ny fangirifiriako tamin' ny namoizana an' i Dada malala no nihalohalo an' ny tandindony tao amin' ny lalako.
6  [2.472] Mbola tsy maty akory ny masoandro sy asabotsy hariva, dia efa nisy olona nisodisody sy nihalohalo teny akaikikaikin' ny tranony teny.
Fototeny  7  halohalo
Haiendriteny 
8  Ny ankehitriny :
9  Ny lasa :
10  Ny hoavy :
11  Filaza mandidy :
Mpanahaka  12  miahanahana, miroahana, miherohero
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny mihalohalo io

Fivaditsoratra  14  ilohaloham, laholahoim, mihalohalo, milohalohà, milohaloha

Nohavaozina tamin' ny 2025/04/28