|
|
|
|

Teny iditra1  mihalohalo
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fototeny  3  halohalo
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8  [1.1] Mihantona, mihebibehy eo ambony loha: Toa mahita zavatra mihalohalo eo ambony lohany foana, hono, izy
Miahanahana, tsy mandroso tsy mihemotra: Aza mihalohalo eo an-tokonana eo ianao fa midira raha hiditra
Misalasala: Mbola mihalohalo ihany ve ianao na hiara-kitsangantsangana aminay na hiarakandihy amin-dry Sahondra
Mijanona anelanelany, tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa: Nihalohalo tamin' ny adin' ny Frantsay sy ny Alemanina i Soisa
Fanazavàna teny anglisy  9  [1.2] to move, to be suspended, to look at from a distance, to be insufficient to fill a space; to be at liberty, to go about here and there.
Ohatra  10  [2.471] Teo amin' ny fangirifiriako tamin' ny namoizana an' i Dada malala no nihalohalo an' ny tandindony tao amin' ny lalako.
11  [2.472] Mbola tsy maty akory ny masoandro sy asabotsy hariva, dia efa nisy olona nisodisody sy nihalohalo teny akaikikaikin' ny tranony teny.
Mpanahaka  12  miahanahana, miroahana, miherohero
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny mihalohalo io

Fivaditsoratra  14  ilohaloham, laholahoim, mihalohalo, milohaloha, milohalohà

Nohavaozina tamin' ny 2025/08/10