Teny iditra miharihary (harihary)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Hita na miseho manontolo tsy misy miafinafina: Mahafinaritra ahy ity trano ity fa miharihary tsara
¶ Marina tsy ilana porofo: Miharihary izao ny fahaizany fa nahazo voalohany izy tamin' ny mpianatra zato
¶ Menatra, mangasihasy: Niharihary foana teo izy nony novakin' ny olona ny laingany
Mitovy hevitra: mangezaheza ~ mibaribary ~ miharihary ohatra ny kary am-pamoloana ~ miharihary ohatra ny vay an-kandrina ~ miseho tsara ~ misongadina ~ mivongady ~ tsy takona afenina ohatra ny masoandroben-dohataona [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy exposed, open, manifest; fig. ashamed. [Richardson 1885]
 to be evident, to be plain view [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay être en vue; être évident [Hallanger 1974]
Endriteny 
miharihary
niharihary
hiharihary
mihariharia
Ohatra Ary vao mainka mazava sy miharihary amin' ny eritreriny ny fahavoazany, izy io marary sy tsy mahita tory io. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 57]
Teny nalaina 

2015/02/27