Teny iditra mihehy (hehy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mikaoka amin' ny tongotra dia manely: Nihehy ny fako teo ny akoho ka izany no nahatonga ny tokotany haloto
Mihady: Mihehy ny tany ny saka
Mamokatra, mamongotra: Nisy nihehy ny voanjo tatsy atsimon-tanàna
Mitady hahalala momba ny...: Nihehy ahy ny mpitsikilo tamin' ny fivoriana nataonay fa tsy niteny na inona na inona aho [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To scratch in the ground. [1.2]
 To scratch the ground; to paw the ground [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Gratter la terre, creuser avec les pattes [1.8]
Ohatra Akoho lahy mihehy lavenona ireny, ka mandihy ambony fasan-drazana. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihehy
Ny lasa : nihehy
Ny hoavy : hihehy
Filaza mandidy : miheheza
Ohabolana 

Teny iditra mihehy
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Bara, Taisaka] Mihomehy [1.78]
  [Tanala] Mihomehy: Kaja mihehy ny kivahe mahia sandré ibojan'ny volone (aza homehy ny amboa mahia sao ipariahan'ny volony) [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/12