Teny iditra (1/2) | 1 mihehy |
Fototeny | 2 hehy |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Mikaoka amin' ny tongotra dia manely: Nihehy ny fako teo ny akoho ka izany no nahatonga ny tokotany haloto Mihady: Mihehy ny tany ny saka Mamokatra, mamongotra: Nisy nihehy ny voanjo tatsy atsimon-tanàna Mitady hahalala momba ny...: Nihehy ahy ny mpitsikilo tamin' ny fivoriana nataonay fa tsy niteny na inona na inona aho |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] to scratch in the ground. 6 [1.7] to scratch the ground; to paw the ground |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] gratter la terre, creuser avec les pattes |
Ohatra |
8 Akoho lahy mihehy lavenona ireny, ka mandihy ambony fasan-drazana. [2.472] |
Haiendriteny |
|
Ohabolana | 13 Ohabolana misy io teny mihehy io |
Teny iditra (2/2) | 14 mihehy |
Sokajin-teny | 15 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
16 [1.78] [Taisaka, Bara]
mihomehy 17 [1.78] [Tanala] mihomehy: Kaja mihehy ny kivahe mahia sandré ibojan'ny volone (aza homehy ny amboa mahia sao ipariahan'ny volony) |
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/07 |
![]() |