|
|
|
|

Teny iditra1  mihodivitra
Fototeny  2  hodivitra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Tsy mahitsy, miraika kely: Mihodivitra ny kofehy ka henjano tsara ~ Mihodivitra ity andry ity
Mihodina any amin' ny ilany, mivily, miolaka: Raha nihodivitra kely ilay vato, dia nahavoa ny masoko
Mihilana: Saika nianjeran' ny vato aho raha tsy nihodivitra kely
Lasa nandositra mangingina, tsy hitahita akory: Nozahan' ny Polisy ny anao lahy ka nihodivitra
Miala amim-pahakingana: Mihodivitra amin' ny raharaha sarotra
Mihazo lalana miolaka mba tsy hifanena amin' olona: Mihodivitra olona
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] to turn aside; to be untrustworthy
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] se détourner; faire des détours
Haiendriteny 
7  Ny ankehitriny :
8  Ny lasa :
9  Ny hoavy :
10  Filaza mandidy :
Mpanahaka  11  mibirioka, miviona, mivaona, mibisioka, mibolidy
Ohabolana  12  Ohabolana misy io teny mihodivitra io

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/11