Teny iditra mihofokofoka (hofokofoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mihetsiketsika: Kaikerin' ny parasy Ibalita kely ka mihofokofoka foana ao am-pandriana
¶ Manetsiketsika ny tena mba hihintsanan' ny rano na vovoka amin' ny tena: Mihofokofoka ny akoho rehefa avy mihosina ao anaty vovoka
Mitovy hevitra: mikofokofoka ~ mitsikofokofoka
¶ Mihetsiketsika mafy mba hialana amin' ny fangejana na fatorana mahazo ny tena: Nihofokofoka tao an-tanako ilay voronkely [Rajemisa 1985]
Endriteny 
mihofokofoka
nihofokofoka
hihofokofoka
mihofokofoha

Nohavaozina tamin' ny 2013/04/24