Teny iditra mipika (pika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miporitika, mipitipitika, mitifitra: Nipika teny amiko ny ra
Mivoaka, miely: Tandremo sao misy mipika izany teny izany
Mivoaka, miala, mitsoaka: Nipika ny vimiainan' ny famantaranandroko
Mikombona: Nitsahatra ny orana ka nipika daholo ny elo teo amin' ny kianja
Mioritra, folaka: Misy mipika ato amin' ny laferako ato
Mandositra, milefa: Nipika ilay mpangalatra ka tsy hita hatramin' izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To tick, as a clock etc.
To shut or fold, as an umbrella or a pocket knife [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Faire tic tac comme une horloge
Se fermer avec un bruit sec
Se plier comme un parapluie, un canif [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mipika
Ny lasa : nipika
Ny hoavy : hipika
Filaza mandidy : mipiha
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20