Teny iditra mirona (rona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mihilana miankavia na miankavanana na somary miondrika, miraika, mitongilana: Mirona ity andry ity izany. / Mirona amin' ny politika ny lohan-janako
¶ Efa ho rava: Mirona ny fanjakana
¶ Ta hatory ka miraika atsy miraika aroa ny loha: Andeha hamonjy fandriana fa efa mirona daholo ireto ny ankizy [Rajemisa 1985]
Haiendriteny 
mirona
nirona
hirona
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31