Teny iditra misidina (sidina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miezaka miakatra eny amin' ny habakabaka: Misidina ambony vao tra-pahoriana ohatra ny akohokely lasampapango
Mandeha haingana maivamaivana: Misidina izy rehefa mandeha
Misondrotra ambony be amin' ny fahaizana, voninahitra, harena...: Nisidina ambony tamin' ny harena Ingahy Rabe tato anatin' ny roa taona
Mitovy hevitra: manidina ~ mikopaka elatra ~ misodika ~ misonanina [1.1]
 Manidina [1.13]
Fanazavàna teny anglisy To fly high, to fly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Voler dans l'air, voler [1.8]
 Voler [1.13]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misidina
Ny lasa : nisidina
Ny hoavy : hisidina
Filaza mandidy : misidìna
Ohabolana 

Teny iditra misidìna (sidina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao misidina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20