Teny iditra | mitambotsotra (tambotsotra (votsotra)) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Famaritana malagasy | Midina ambany: Mitambotsotra ny pataloanao fa akaro ¶ Mikorisa midina: Asondrotra foana io zaza io rehefa matory fa mitambotsotra lava izao ¶ Mitaredretra: Nitambotsotra tany an-dalana ny anao ka tsy nahatratra sakafo ¶ Mihena, mihaosa: Efa mitambotsotra ny sain' io antidahy io ¶ Tsy mahajoro ka mianjera: Raha vao nahare ny nahafatesan-drainy izy dia torana ka nitambotsotra ¶ Mitakemotra tsy sahy manohy fa miverina ilalana: Nitambotsotra Rakoto ka niala tsy hofidina indray ~ Telo no nitambotsotra tamin' ireo mpifaninana hazakazaka amin' ny tongomalady [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fandikana anglisy | to sink, to slip down, to decrease [Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
Fandikana frantsay | s'affaiser, dégringoler [Abinal 1888] | ||||||||||||||||
glisser, diminuer de force, d'intelligence, reculer dans les honneurs [Abinal 1888] | |||||||||||||||||
diminuer; s'abaisser [Hallanger 1974] | |||||||||||||||||
Sampanteny |
| ||||||||||||||||
Endriteny |
| ||||||||||||||||
Ohatra |
| ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |