Teny iditra moa
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Kianteny enti-manontany, ka toy izao no fampiasa azy: atao manomboka fehezanteny izy: Moa handeha ihany iânao rahampitso? Azo ampiarahina amin' ny "ve" koa anefa izy, ka amin' izay, na manarakaraka azy avy hatrany ny ve na fonosina ao anatiny sy ny "ve" ny teny fototry ny fanontaniana: Moa ve handeha ihany ianao rahampitso? na Moa handeha ihany ve ianao rahampitso?
Kianteny kely entina manisika hevitra toy ny hoe "raha ohatra ka": Handeha aho moa, ny zanako ity marary; hijanona aho, ny raharaha arỳ miandry, na manamafy hevitra fotsiny: Ianao moa ity marary ka tsy hita izay hatao [1.1]
Ohatra Andro lehibe moa ny alahady any ambanivohitra. [2.4]
Kamban-teny 
Lohateny Iza Moa?

Teny iditra moa
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Bara, Sihanaka, Tambahoaka] Moana [1.78]
  [Taisaka] Moana, tsy afa-miteny [1.78]
Sampanteny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/19