Teny iditra mpanjanatany (zanaka, tany)
Sokajin-teny anarana
Fandikana frantsay colonisateur, colonisatrice [Rakotonaivo 1993]
Voambolana 
Endriteny 
mpanjanatany
mpanjanataniko
mpanjanataninao
mpanjanataniny
mpanjanatanintsika
mpanjanataninay
mpanjanataninareo
mpanjanatanin'
mpanjanatanin-
mpanjanatanim-
Tsipelina hafa 
Ohatra 
1Ninoako mihitsy mantsy taloha fa afa-tsy ny mpanjanatany dia tsy maintsy mahita mpanampy azy amin' ny tolom-pahafahana ataony ny firenena iray te-hiavo-tena. [Andriamalala: Ranomasina, takila 60]
2Hahavokatra ihany angamba indray andro any ny nomena anarana hoe " tahirin' ny mpanjanantany". [Andraina: Mitaraina, takila 184]
3Tao ry Galliéni sy ny mpanjanantany, nanao izay hahafongotra ny Teny Malagasy, mba handringana ny firenena malagasy. [Andriamalala: Fanagasiana, takila 6]
4Izy io anie rehefa vita fianarana ka hitan' ny mpanjanantany fahizay fa tovolahy namiratra dia notambatambazany karama be inefatra hoatra izay noraisiny tamin' ny Misiona mba híasa tany aminy, saingy nanda! [Ravelomanana: Lalana, takila 172]
5Niray petsapetsa tamin' ny mpanjanatany izy, mba hamoriporitra ara-batana sy ara-tsaina ny Malagasy iray ra aminy! [Andriamalala: Taolambalo, takila 137]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31