Teny
Anarana
Eva
Fitenim-paritra
Voambolana
Sokajin-teny
Fototeny
Sampanteny
Ohabolana
Haianarantany
Rakibolana
Fitsipi-pitenenana
Lahatsoratra
Fafana sy Tsanganana
Sary
Bibliôgrafia
Habaka
Takila fandraisana
Mpiara-miasa
Fanontaniana
Fiovàna
|
|
|
|
Teny iditra
Mpiandry omby
Sokajin-teny
anarana (lohatenin-tononkalo)
Mpanoratra
Andriarimalala René
Injany re tsitapitapy
Any an-tendrombohitra any
Ny firefotry ny japy.
Rivorivo be mifioka !
Izay nandraraka an'izany?
Tovolahy mampiady sioka.
Mpiandry omby maro andiany
Mihosy ahitra efa hoto
Fa avy ny hariva hodiany.
Sady milalao no miasa,
Misakana omby tsy hifanoto;
Fa nivadika ny rasa…
Ka manenjana salaka
Ny vantobanto-jazalahy
Manao tolona sy daka.
Manatanja-tena izy
Ho mahery toa ombalahy
Fa efa maika tsy ho ankizy!
Voambolana
Haisoratra: tononkalo
Tsanganana sy sary iray takila
Ny lohateny rehetra
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31