Teny iditra | na | |||
Sokajin-teny | mpampitohy | |||
Famaritana malagasy | Teny mpampitohy ¶ Enti-milaza zavatra roa azo ifidianana: Fidio izay tianao na ny vola na ny voninahitra ¶ Enti-milaza olona, zavatra, toe-javatra daholobe tsy ankanavaka: Tonga tao daholo na lehilahy na vehivavy na antitra na tanora na kely na lehibe [Rajemisa 1985] | |||
Fandikana anglisy | or, nor, though, whether, neither, if. It is also used to form several indefinite pronouns and adverbs. Comp. SA. [Richardson 1885] | |||
or; either; neither [Hallanger 1973] | ||||
Fandikana frantsay | ou. Manorata na mamakia boky: samy mety daholo izay ataonao: écrivez ou lisez: ce que vous choisissez de faire est bon. Samy mamy na ny ray na ny reny. Samy mampalahelo na ny mpandany na ny kahihitra. [Rajemisa: Grammaire] | |||
ou [Hallanger 1974] | ||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| |||
Teny iditra | na | |||
Sokajin-teny | kianteny | |||
Famaritana malagasy | Heverina ho niavian' ny n' na n- ihany, izay ilazana tompon-javatra,
saingy tsy fampiasa intsony ankehitriny afa-tsy:
1) raha milaza vidin-javatra: Vomanga-na volafolo; 2) amin' ny filazana izay olona nikendrena zavatra iray: Trano-na miaramila; 3) amin' ny filazana mpanao asan' ny iharana raha tsy voafaritra io mpanao asa io: Vita-na Malagasy [Rajemisa 1985] | |||
Teny iditra | na | |||
Sokajin-teny | kianteny | |||
Famaritana malagasy | Kianteny atao eo alohan' ny anarana iray, izay enti-manazava anarana hafa voalaza eo aloha: Dia indro Antananarivo na ilay Analamanga fahiny [Rajemisa 1985] | |||
Teny iditra | na~ | |||
Sokajin-teny | tovona | |||
Fandikana frantsay | préfixe comme dans naotra [Abinal 1888] | |||
Teny iditra | Na
![]() | |||
Sokajin-teny | anarana (eva) | |||
Fandikana malagasy | Singa mivaingana, faha-11 amin'ny firaketan'i Mendeleiev. [3.1] | |||
Fandikana anglisy | Sodium. [3.1] | |||
Voambolana | Simia | |||
Ny fihaviany | Latina: natrium. | |||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |