Teny iditra ndeha
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Mampanao asa olona, mitovy amin' ny hoe "mandehana": 'Ndeha milalao amin' izay ianareo, rankizy
Mitaona olona hiara-hanao asa iray amin' ny tena izay miteny: 'Ndeha hilalao amin' izay isika, rankizy (tsara homarihina, araka ireo ohatra roa ireo, fa amin' ilay hevitra voalohany (fandidiana), dia atao milaza ny ankehitriny ny matoanteny manaraka ny "andeha na ndeha", fa amin' ilay faharoa kosa (fitaomana), atao milaza ny ho avy) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Comme andeha. Va, pars, allons, partons, allez, partez [1.3]
Ohatra 
1Ndeha hatory isika izao. [2.270]
2Angady no entiko,' ndeha hatakaloko akoho. [2.69]
3Raha sitrakao, ndeha hijery azy any isika? [2.470]
4Niridiridy nitsangana izy ndeha hamely ahy. [2.4]
Tsipelina hafa 

Teny iditra ndeha
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Entina milaza asa na fisehoan-javatra mifanindry amin' ny asa ho avy iray: Ndeha hivoaka ny trano indrindra aho no nirotsaka ny orana [1.1]
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2021/10/05