Teny iditra nefa
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Famaritana malagasy Enti-milaza hevitra mifanohitra amin' ilay voalaza eo aloha: Marary izy nefa tonga ihany. (Tsara homarihina fa manana endrika roa hafa io teny io, izay tsy dia tena mitovy fampiasa aminy: "anefa" sy "kanefa":
-- anefa, dia fampiasa matetika eo aorian' ny teny voalohany amin' ny tapaky ny fehezanteny faharoa: Marary izy; mahagaga anefa fa tonga ihany;
-- kanefa: fampiasa raha lavalava ilay tapaky ny fehezan-teny faharoa: Marary izy, kanefa mahagaga fa tonga ihany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy nevertheless, though. It is the primitive root of the words anefa, fanefa, kanefa, kandrefa. It is also the provincial past tense of efa. [Richardson 1885]
 but (same as kanefa but used in slightly different ways) [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay cependant; kanefa et nefa s'emploient selon que les deux membres de la phrase mis en opposition sont long ou bref; anefa est enclitique.
-- Namely ny anao lahy, kanefa tsy nahavoa fa maika loatra
-- Namely ny anao lahy, nefa tsy nahavoa
-- Namely ny anao lahy, tsy nahavoa anefa ka hany hery nitsoaka [Rajemisa: Grammaire]
 mais (même que kanefa mais s'emploie de façon un peu différente) [Hallanger 1974]
Mpanahaka  fa ~ kanjo ~ saingy

2019/08/27