|
|
|
|

Teny iditra1  nenina
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Alahelo noho ny ratsy natao, na ny tsara tsy natao, ka nahatonga fahavoazana ho an' ny tena: Neniko ny tsy namaliako ny taratasiny
Fibebahana amin' ny hadisoana natao
Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa. Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry, fa avy manaraka tahaka ny alika (mazava ho azy
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] regret, bitter reflection, grief, repentance, remorse. Comp. bebaka.
5  [1.7] regret
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] regret, remords
Ohatra  7  na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
8  Taza-maso ny ezaka nataony hanafina ny alahelony tamin'ny vazivazy, ka nisy nenina nisoko tao am-poko. [2.583]
Voambolana  9  Ontam-po
Sampanteny 
10  Matoantenin' ny mpanao :
11  Matoantenin' ny fameno :
12  Anarana :
Mpanahaka  13  mitohy sakay, mitohy fangoka, fay, nahita faisana, mibarara, enjehin' ny fieritreretana, manongo tena, mitomany tena, mandray ny kiho, mitsapa farahatoka, manaiki-molotra, mijery soratr' omby an-tanàna
Kamban-teny 
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny nenina io

Fivaditsoratra  20  inenan, nenain, nenina, ninena

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21