Teny iditra Ny Abidin' ny toaka
Singan-teny abidỳ ; toaka
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rajaonary, 1880
Lahatsoratra 
A
Adala ny olona izay tia toaka
Adabok' ireny ny vola ka lany
Ataony ambody barika avy hatrany
Areti-mandoza no vokatr' izany

B
Bedain' ny sasany ilay tia toaka
Babon' ny Satana ny fony rehetra
Barika mandeha toa manjoretra
Baikoan' ny vola tsy misy fetra

D
Doran' ny sain' ilay tia toaka
Daka diamanga ireo mampijaly azy
Difotra ny ainy tsy vazivazy
Daroka sisa no mananatra azy

E
Efitrin' ny helo no fiainan' lay tia toaka
Eso, latsa no ravakin' ny androny
Efa lefy matroka izato masoandrony
Esorin' ny Satana ny kely manome ny heriny

F
Fasana no miandry an' ilay tia toaka
Fongana avokoa izay hany fananany
Fandrika miandry ny lalan-kalehany
Fonja manjohy ka mitady ny tenany

G
Godraka ny tenan' ilay tia toaka
Gaga ny olona mijery ny toetrany
Gidragidra lava no androm-piainany
Gaigy sy romotra no fomba fijeriny

H
Hetahatan' adala ny an' ilay tia toaka
Hevitra taingina no avoakan' ny vavany
Henatra baraka no mameno ny tenany
Hosoka halatra no fihetsiketsehany

I
Iza no mba havan' ilay tia toaka
Ireo mpidoroka, mpanamaoly no mba sakaizany
Ilaozan' ny maro fa kely ny sainy
Izy mety manam-pahaizana fa ny heviny ambany

J
Janga no lalan' ilay tia toaka
Jereny ny marina toa fahavalony
Jesoa halany ka tsy ankasitrahany
Jonon' ny Satana izy fa tena rembiny

K
Kilemaina, vatana, saina ilay tia toaka
Kamboty velona ireto taranany
Kitratraina ny vady aman-janany
Kamo be tenda no tena talentany
L
Lova ratsy no anjaran' ilay tia toaka
Lany ny harena noho ity fahadalany
Levona ny fanahy fa tsy ampy ny heriny
Lalan' ny helo no indro izorany

M
Mangozohozo ny tenan' ilay tia toaka
Mikainkona ny voa vokatr' izany
Matimaty foana ny vady aman-janany
Mijaly maloka no fiafaran' ny fiainany

N
Nahoana no manjombona ilay tia toaka
Nanafina ny tava noho izato ditrany
Natahotra sao hijinja ny vokany
Ny antson' i Jesoa tsy nasiany dikany

O
Ozona no miandry an' ilay tia toaka
Olona meloka ireto taranany
Ory misento ny androm-piainany
Omby mahia tsy lelafin' ny namany

P
Potika ny androm-piainan' ilay tia toaka
Potraka faona ka hopitaly no tranony
Pentina sisa no mamantatra ny tenany
Peratra saro-tavohangy no hany ravany

R
Rovitra akanjo no anjaran' ilay tia toaka
Ratsy fitafy izato vady aman-janany
Raiki-tahotra raha mahita ny tavany
Ratra, rangotra no valim-pananarany

S
Sempotra lava ilay tia toaka
Sady bila fandeha no mena ny masony
Safotra miakatra ambony ny tosidrany
Sahirana lava ka makanimakany

T
Taranaka mijaly ny an' ilay tia toaka
Tenany very ary koa izato hajany
Tapitra sy velona ny fahasambarany
Tranomaizina no toa mba anjarany

V
Voa mikainkona sisa ny an' ilay tia toaka
Vavaka adino ka toa tsy asiany dikany
Very haja ny tenany fa lany izato harenany
Vitsika mandady avy toa tsy matiny

Z
Zara raha velona ity tia toaka
Zovy no manana fo mifora sabora
Zovy no mpangataka voa korakora
Zatovo naditra iny fony Tanora
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/17