Teny iditra Ny Tanindrazako
Singan-teny tanindrazana
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Lala, 1907
Lahatsoratra 
Mba mamiko toy ny tantely
Izay tanindrazako izay,
Fa toa fonenan’anjely
Tsaroako mandrakizay
Mba reko fa misy ny tany
‘zay tsara dia tsara tokoa
ny ahy tsy latsak’izany
fa tany mba be zava-tsoa.

Ny rivotra izay mba mitsoka,
Mampody ny aiko tokoa
Ny volana tsy mba misoka,
Iriko ho endriny koa.

Ny vorona raha mihira,
Manaitra ny saina sy fo
Ny hazony miantso : “midira”
Fa eto no mahafa-po.

Ny taolan’Idada malala,
Mitana ny aiko ho ao,
Ny saiko dia toy ny adala,
Tsy miala fa ao aminao.
Mitana hiorina mafy
Ny tenan’Ineny tsy foy,
Aleoko ho olo-mihafy
Fa izy tsy azo nafoy
Fonenan’ny olo-malala,
Fonenan-tsy tiana ho lao,
Ny tiana tsy manan-tsahala
Tsy hita tsy ao aminao.

Ny kintana tena mazava
Mazava malefaka koa
Ny volana no mampisava
Ny aizina tsy mahasoa.

Ry tany malalako loatra,
Ny foko dia manina anao,
Na lavitra aza hihoatra,
Fa tsy tody raha tsy ao aminao.

Misento mahalana ihany
Ny foko raha lavitra anao
Ny hehiko zary tomany,
Ny tsiky tsy azo natao.
Fanonta printy 1907/02/22. Ny Basivava.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2024/03/03