Teny iditra peperana (pepetra (petra))
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Hafatrafarana: Nopeperan-drainy izy hanao fasana
Didiana: Nopeperan' ny fanjakana tsy hisy vola hivoaka any ivelany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be told, to be enjoined, to be charged. [1.2]
 To be given definite orders [1.7]
Fanazavàna teny frantsay à qui on donne un ordre précis [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : peperana, peperako, peperanao, peperany, peperantsika, peperanay, peperanareo, peperan', peperan-, peperam-, pepera-
Ny lasa : nopeperana, nopeperako, nopeperanao, nopeperany, nopeperantsika, nopeperanay, nopeperanareo, nopeperan', nopeperan-, nopeperam-, nopepera-
Ny hoavy : hopeperana, hopeperako, hopeperanao, hopeperany, hopeperantsika, hopeperanay, hopeperanareo, hopeperan', hopeperan-, hopeperam-, hopepera-
Filaza mandidy : pepero

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31