Teny iditra Rakotonaivo François
Singan-teny Rakotonaivo ; François
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Rakotonaivo François (1924-)
Teraka tany Betatao (Anjojorobe) tamin' ny 10 oktobra 1924. Nianatra tao amin' ny Petit Séminaire-Ambohipo, Kolejy Masina Misely-Amparibe, ary Lycée Galliéni izy. Nampianatra nandritra ny 14 taona. Nanomboka nanoratra tao amin' ny gazety " Anivon' ny Riaka - L' Ile Australe" niandraikitran' Andriamatoa Régis Rajemisa-Raolison. Talen' ny gazety Sori-Dalana (1957-1958). Tonian' ny Filazam-baovao tao amin' ny Radio-Madagasikara teto Antananarivo, tany Antsiranana sy tany Fianarantsoa. Talen' ny Radio-Madagasikara (1976-1978). Mari-boninahitra: Chevalier de l'Ordre national Malagasy. [2.327]
Voambolana 
Asa navoany Fianarana jeografia 1961
Hainteny ankehitriny 1990
Le laïcat et la pastorale de la justice et la charité: à Madagascar depuis son indépendance en 1960 1990
Ny diam-penin' ny Avana Ramanantoanina 1993
Ny Haintenin'ny Ntaolo 1970
Ny riba malagasy eran' ny nosy 1997
Rakibolana frantsay - malagasy: Dictionnaire français - malgache 1993

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20