Teny iditra | 1 ranona |
Singan-teny | 2 ry, anona |
Sokajin-teny | 3 mpisolo anarana [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Ilazana olona tenenina izay tsy tsaroana eo no ho eo ny anarany: Andeha antsoy Ranona, ry Koto a ~ Asaivo mankaty Ranona lantsoana na anondroana olona itenenana, saingy fanaon' ny samy vehivavy na lehilahy sy vehivavy: Ranona ity koa mahasosotra ~ Aoka re, Ranona, fa mahaketraka izany zaoatra lazainao Teny ifampiantsoan' ny samy vehivavy rehefa miresaka, na ilazany olona tsy tiana hotononina ny anarany na hadinony tsy tonga ao am-bavany: Tsy hitandRanona angaha ilay olona teto anikeheo? ~ Ranona atsy avaratra no nandrenesako an' izany |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] Mister So-and-so 6 [1.7] what's-his-name |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] Monsieur un tel |
Ohatra |
8 Tsy re intsony ny hoe marary ranona na ranona ao an-tanàna, fa izay maty sisa no re. [2.472] |
Tsipelina hafa | 9 ianona |
Kamban-teny |
|
Tsanganana sy sary iray takila |
13 Ny mpisolo rehetra |
Fivaditsoratra | 14 anoran, nanaro, nanora, naoran, naroan, narona, ranona |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |