Teny iditra rapeto
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy olona lava be [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy long, tall. [Richardson 1885]
 a very tall person [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay personne très grande [Hallanger 1974]

Teny iditra Rapeto
Sokajin-teny anarana (olon' ain' ny tantara) [fitanisana]
Famaritana malagasy Anaran' olo-malaza tamin' ny angano noho ny halavany [Rajemisa 1985]
 Rapeto, hono, dia Vazimba talohan' izany Andriamanelo, mpanjaka tatý fony fahagola. Teo Ambohidrapeto andrefan' Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinanana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy. Tany Ambohitrarahaba, avaratr' Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba. Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin' Itasy, ka namboariny ho farihy lehibe, hisotroan' ny ombin-dRasoalao vadiny. Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr' olona ao an-dalamben' Ambohitrarahaba dia nohitsahin' ny faladiany sy niankinan' ny ranjony, hono, hampisehoany ny heriny. Ary ny loadoaka eny amin' ny vatolampy maro dia lazaina hoe diany avokoa. Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny volana holalaovin' ny zanany ; kanjo nasian' ny volana diamanga izy ka dangy nitsitra terý. Lazain' ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan' Amorokay izy, ka tany no nahafatesany. [Dahle: Angano takila 53]
Fandikana anglisy a legendary giant long, tall [Richardson 1885]
 a legendary giant [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay géant légendaire [Hallanger 1974]
Voambolana 
Ohatra Ary Ambohidrapeto natao Am-bohi-dRapeto: eo ny tamboho ny Rapeto rahateo [Callet: Tantara, takila 17]
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny Rapeto ity (1): Ambohidrapeto
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31