Teny iditra rapeto
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Olona lava be [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Long, tall. [1.2]
 A very tall person [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Personne très grande [1.8]

Teny iditra Rapeto
Sokajin-teny anarana hita ao amin' ny ohabolana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Anaran' olo-malaza tamin' ny angano noho ny halavany [1.1]
 Rapeto, hono, dia Vazimba talohan' izany Andriamanelo, mpanjaka tatý fony fahagola. Teo Ambohidrapeto andrefan' Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinanana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy. Tany Ambohitrarahaba, avaratr' Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba. Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin' Itasy, ka namboariny ho farihy lehibe, hisotroan' ny ombin-dRasoalao vadiny. Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr' olona ao an-dalamben' Ambohitrarahaba dia nohitsahin' ny faladiany sy niankinan' ny ranjony, hono, hampisehoany ny heriny. Ary ny loadoaka eny amin' ny vatolampy maro dia lazaina hoe diany avokoa. Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny volana holalaovin' ny zanany ; kanjo nasian' ny volana diamanga izy ka dangy nitsitra terý. Lazain' ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan' Amorokay izy, ka tany no nahafatesany. [2.69]
Fanazavàna teny anglisy A legendary giant long, tall [1.2]
 A legendary giant [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Géant légendaire [1.8]
Ohatra Ary Ambohidrapeto natao Am-bohi-dRapeto: eo ny tamboho ny Rapeto rahateo [2.48]
Voambolana 
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Sary 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31