Teny iditra sakafo
Singan-teny saka ; afo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavatra handroina ka hanina isan' andro amin' ny fotoana tsy miova: Tsotsotra ihany ny anay ny sakafo maraina fa vitan' ny vary sosoa sy kitoza fotsiny ~ Sotroy eran' ny sotro lehibe alohan' ny sakafo antoandro sy hariva ity fanafody ity ~ Mahandro sakafo, manao sakafo, mandroso sakafo
Vola, haninkanina, omena vahiny: Amin' izao fitsidihanao izao, tompoko, dia iny misy sakafo kely avy aminay
Izay rehetra entina mamelona na mampitombo zavatra iray: Ny famakiam-boky no sakafon' ny saina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Food, a meal [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Repas; mets, aliments [1.8]
Ohatra Koa voalohany indrindra, ny vatsy sy ny sakafo aloha no andeha homanina; [2.324]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : sakafo, sakafoko, sakafonao, sakafony, sakafontsika, sakafonay, sakafonareo, sakafon', sakafon-, sakafom-
Tovonana : -tsakafo, -tsakafoko, -tsakafonao, -tsakafony, -tsakafontsika, -tsakafonay, -tsakafonareo, -tsakafon', -tsakafon-, -tsakafom-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lohateny Mankafy Sakafo
Sakafontsaina (Andrianjafitrimo Edouard)
Mpanahaka  hanina ~ nahandro
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/02