|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  sambatra
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  Miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika: Raha te ho sambatra ianao, rahatrizay, mianara tsara ary miasà mafy
4  Miadan-tsaina, milamin-tsaina, finaritra: Sambatra izany fianakaviana mifankatia izany
5  Mananjara, tsara vintana, ambinina: Sambatra izy nahazo vady hendry [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  blessed, happy [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  heureux, béni [1.8]
Ohatra  8  Nahatsiaro ho sambatra ery izahay mianakavy nony nandry voalohany tamin' ny tranonay vaovao. [2.472]
Sampanteny 
9  Matoantenin' ny mpanao :
10  Anarana :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 

Teny iditra (2/3)13  sambatra
Sokajin-teny  14  anarana
Fanazavàna teny malagasy  15  fora, famorana [Tambahoaka, Tanala] [1.78]
16  Famorana zaza mitambatra amim-pomba lehibe, izay fanao isaky ny fito taona, izany hoe ny zazalahy rehetra teraka ao anatin' ny fito taona dia atambatra hatao hasoavana amin' io andro iray io [Taisaka] [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  17  circoncision [1.13]
Mpanahaka  18  didiam-poitra, fora, foza, savatse, hasoavana, tapakanake

Teny iditra (3/3)19  sambatra
Sokajin-teny  20  anarana
Fanazavàna teny malagasy  21  Fahandro katsaka amin' ny babiny, na mangahazo lena atao tetika lava [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31