Teny iditra sampana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny rantsana madinika miray amin' ny vataben' ny hazo: Be sampana ity hazo ity. / Sampan-kazo
Rehefa mety ho fizarazaran-javatra mivoaka avy amin' ny foto-be: Amin' ireo rano avy any Ankaratra, ny sampana mianavaratra dia mivarina any Ikopa
Fizarazarana, antokon-javatra ao anatin' ny firaisam-be: Ny marika dia sampan' ny fianarana ambaratonga voalohany
Fikambanana kely izay mifandray amin' ny foibe, na iray fileovana aminy: Ny sampana atsy Ananona no mandeha indrindra amin' ny sampan' ny Fikambanan' ny Ray aman-drenin' ny mpianatra eto amin' ny faritany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A branch, a branching off; a branch group or organization [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Branche; branchement; filiale [1.8]
 . Bifurcations d'une tige, surtout lorsqu'elles sont divariquées. Plus généralement : ramifications. D'où : [1.196]
Ohatra Vao vita kelikely ny lalam-by Antananarivo-Toamasina, dia nasiany sampana avy ao Moramanga mankany amoron' Alaotra. [2.472]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/10/12