Teny iditra sazina (sazy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Omena famaizana: Nosazin' ny mpampianatra ny mpianatra rehetra tsy nanao ny entimody
Helohina handoa sazy vola: Nosazin' ny fitsarana ariary iray alina ilay olona nisando-tsonia [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be fined, to be punished [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on punit [1.3, 1.8]
 Qu'on met à l'amende, qu'on condamne à: Nosazina ariary folo izy (Il a été condamné à payer une amende de dix piastres) ~ Nosazin' ny mpitsara ho ao an-tranomaizina enim-bolana izy (Il a été condamné par les juges à six mois de prison) ~ Nosazin' ny mpampianatra io zazalahy io (Ce garçon a été puni par le maître d'école) [1.3]
 à qui on inflige une amende [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sazina, saziko, sazinao, saziny, sazintsika, sazinay, sazinareo, sazin', sazin-, sazim-, sazi-
Ny lasa : nosazina, nosaziko, nosazinao, nosaziny, nosazintsika, nosazinay, nosazinareo, nosazin', nosazin-, nosazim-, nosazi-
Ny hoavy : hosazina, hosaziko, hosazinao, hosaziny, hosazintsika, hosazinay, hosazinareo, hosazin', hosazin-, hosazim-, hosazi-
Filaza mandidy : sazio
Tsipelina hafa 

Teny iditra sazina
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Sahaza, antoniny, mifanentana: Sazina anao tsara io raharaha io ka mahareta eo [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Convenable, enrapport avec, dont on est content, dont on est capable [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20