Teny iditra simbana (simba)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ampitondraina fahavoazana, ravana, levonina, rovitina, ratraina: Nosimban' Ikoto ny bokiko. / Nosimban' ny mpangalatra ny volinay
Ovana ho ratsy: Hosimban' ny naman-dratsy iny zanakao iny
Ampijalina, hétraketrahina, tsy itondrana roa: Tandremo sao simban' ialahy io zaza io mandritra ny tsy maha-eto ahy
Lotoina, anaovana fitondran-tena tsy mendrika: Nosimban' ny mpiasa tao antrano ilay zanany vavy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on gâte, qu'on endommage, qu'on dégrade, qu'on défigure, qu'on tracasse, qu'on rend mauvais [1.3]
Ohatra Izao ny anan' olona avy no nosimbanareo [2.117]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : simbana, simbako, simbanao, simbany, simbantsika, simbanay, simbanareo, simban', simban-, simbam-, simba-
Ny lasa : nosimbana, nosimbako, nosimbanao, nosimbany, nosimbantsika, nosimbanay, nosimbanareo, nosimban', nosimban-, nosimbam-, nosimba-
Ny hoavy : hosimbana, hosimbako, hosimbanao, hosimbany, hosimbantsika, hosimbanay, hosimbanareo, hosimban', hosimban-, hosimbam-, hosimba-
Filaza mandidy : simbao, simbay
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20