Teny iditra Solony sy sariny
Singan-teny solo ; sary
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy)
Mpanoratra Ramangamalefaka (Ramandiamanana Alfred), 1923/01/26
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra ...

Indray tolak'andron'ny asabotsy, nirantiranty ny mpitazana eran' ny sisin-dalana teo Antsampanimahazo. Razaiarisolo, vavy tokan'ny mpanankarena, sady nalaza amin'ny fahaiza-mihaingo, no hatao mariazy amin'ny tovolahy anankiray, ka handalo eo. Amin'ny telo no fotoana dia namorom-potsy sahady ny arabe. Nipaika ny telo, fa tsy mbola nisy nanelohelo. Naneno ny antsasany, fa fiandrasana tsy nisy asany. Velona ny efatra, fa ny maso foana no valalanina sy navesatra! Nanomboka nimonomonona ny mpizaha: itony moa, ka aiza no tsy afokain'ny olona hoe: Fotoan-gasy! - Aza manao io izany, hoy kosa ny sasany, fa mbola miomana tsara hotazaninareo izy. Ny fanambadiana koa angaha, hono, raha tsy somary disoim-potoana kely mba mety marina indrindra.
-- Hafa indray izany, hoy ilay namaly, raha santarana fahadisoana vao ho marina!

Ireny misy posiposy mifanao aloha sy aoriana, dia namely ny ankizivavy: "Tamy! Tamy!" Indray niranga any daholo ny maso. kanjo hehy sy isitrisitra no vokany. Kanefa mbola niandry amim-paharetana ihany ireto vahoaka tonga hitazana. Ny mpitaiza kely sasany izany aza, tsy nety kivy, fa toa vao mainka naka toerana, ka ny zazakely no nampanalaina, notohofan-tsakafo teo am-piandrasandra haraha.

Tokony ho tamin'ny dimy latsaka kely, indry nidarondarona avy atsinanana Reniketamanga, mpitaiza an-dRazaiarisolo fahakely. Vavy mainty lava, ngitangita volo izay izy; ny masony havanana manambana mitifitra kely, ary somary nanopy mena lalandava ny tapotsi-masony. Ny hatevin'ny molony dia vita ara-keviny tsara amin'ny ranjony aman-tongony izay donga dia drey! ka nanjary bamba iray tsy nisy famavany intsony (mampahatsiaro irony tongo-tsariolona vorodamba, filalaon'ny ankizy fahizay). Tasy iray sy toa taratasim-panafody no eny an-tanany; ary tsy andrin'ny ankizivavy izay handalovany, fa mbola lavitra dia velona ny fanontaniana: " Aiza ny mpanambady, ry Nenimanga " ?

" Ey! loza, ry retsy, hoy Renimanga, sady notampenany ny nifiny banga, ka nitomemaka nitantara izy ilay nanao maika teo iny. Etsy angeha! Halina tontolo alina, dia efa tsy nahita tory zary intsony isakaizanareo, tandindomin'ity hisehoana anio; ka mbola maizina vao misafelika ny kary (fa fotoana, fodian'ny mpamosavy, hono) dia efa namoha varavarankely sahady. Ka indro nimokitra ery nanasa tava. Novahana tsirairay ny volo naolana, ka nanalona ery ny sarin-gita. Dia nampiasaina daholo ny ravoravo natentina rehetra; noraisina ny lokomena, nahosotra ny tendron-tava; ny volon-jaky natao sari-molotra; ny maintimainty natao sari-manja-maso; irony taindalitra vaventy... solon-tandra; irony fotsifotsy... podina moa ange ity izy !. ... " En! " poudre hoy ny ankizivavy, sady samy lokilokin'ny hehy izy, nalaina ny podina, natavona, nahosotra. Notentenana mavokely ny laingon-tava ho vonin'avoko tsara! Tsy angatra fa mba tsara tokoa ikalaratsy, saingy lasa solony sy sariny izy, tsy mahita ahy manjaitra kidoro eo an-dalantsara akory.

" Navela hiala sasatra aloha ny fitaratra kely, ka etsy amin'ny lehibe indray no misodika n, misangodina, jery atrika, ka mihorirana. Tsy ariny intsony, ka lasa niteny mafy ny vavany: "Na samy hitondra maso efatra isan'olona aza Antananarivo, tsy matahotra Izaiarisolo, fa androny anio!" Ny maso tsy foy hiala eny amin'ny fitaratra, ka voadinika avokoa na fihetsiky'ny molotra na fiantefan'ny maso. Eto, rankizivavy, dia tsaroako ilay hiranay fony mbola tovovavy hoe: Hazo kininina, ka ny hisondro-miakatra ihany no tiana. Toe-tsaintsika vehivavy ny toy izany amin'ny haingo sy ny firavaka: Ambony kokoa! Tsara kokoa! Hoy mantsy ny fisentoan-dRazaiarisolo: Mifatsitsika daholo izato ny momba ahy rehetra, fa voatondro iray no tsininy: nahoana re aho tsy mba nisy fandaingana e? Nitanondrika teo izy nieritreritra, ka nony kelikely tafatsangana niteny hoe: Nahoana angeha no nisy solo-manjamaso, sarin-gita, solon-tandra ets, ka nahoana kosa no tsy mba nisy solom-pandaingana? Tsy rariny izany. Raha loko mainty re no atao hoe? - En-he! sao manjary hoatra ny tombokavatsan'ny Sakalava!... fa aoka! Nisy sotron-dite indrindra teo. Nalainy ny tahony, ka natehiny moramora teo amin' ny takolany; nalentiny maharitraritra; ka nony notsoahana, iny nisy diany mifangitra tokoa.

" Nibitaka ny anao vavy: Rehefa hety ny atao, ny saobakaka aza maninona ange... fa tsy tsaroany intsony. Nopetahana koa ny ilany, ka raikitra dia raikitra. Saingy ny tsininy iky, hoy indray ny tsetrany, toa ho mora maty ity fandaingako! Raha somary hafanaina kely ny fiasana, angamba haharitra tsara. Narehiny ny labozy; natanina kely ny raharaha dia natehika; indro tokoa fa niharihary tsara tsy nampoizina, sady toa tsy mety maty intsony! Hatao foana ity, hoy izy. Nalainy ny tahon-tsotro kely; natao maharitraritra kokoa ny famanana azy, mba hampahateza tsara ny asany. Natehika mantsy ka... ts... tso! ... .ts... tso! Maimbo raikona eran'ny trano! Nitsovaka daholo ny hoditra fa diso nahamay ny fiasana, ka nivindina mena hoatra ny voatabiha ny ila tavany manontolo! Tonga ny mpampakatra sy ny mpaka, nefa sampona ny raharaha, ka fara fahatsarany, hahemotra aoriana, raha tsy ho fihemorana mandrakizay!

" Ka ataoko aminareo tovovavy, hoy Rafotsy, sady nampandihiziny ny fanondrony, tandremo ihany angeha io " Solony sy sariny" io! Mihetsika ka solo-molotra e? sarin-gita e, solon-tandra e! solom-pandaingana e! sao dia dila loatra ka lasa solony sy sariny daholo. Nahery nanao solony Razaiarisolo, ka sendra solom-bady" !

Sady indry izy lasa niankandrefana! Isika ity no lany andro foana teto, natsatoky ny solony koa, hoy ny mpijery sady hehy foana no nisarahana!
[Ny Tanamasoandro, # 44, 1923/01/26]

...


Nohavaozina tamin' ny 2023/10/30