Teny iditra tambatambazana (tambitamby (tamby))
Sokajin-teny matoantenin' ny atao
Famaritana malagasy Safosafoina na tehatehafina malefaka: Tambatambazo io zaza io mba hangina ambara-pahatongan-dreniny
¶ Kojikojena, anaovana teny malefaka na omena zavatra mba hitaomana hanao izay tian' ny tena: Notambatambazan' ny namany izy ka izariy no nahasimba azy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to be coaxed, to be bribed [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay qu'on caresse, qu'on flatte, qu'on cajole, que l'on console: Maneky tsara io soavaly, raha tambatambazana (Ce cheval obéit bien quand on le cresse) ~ Tsy mitomany intsony io zazakely io, rahefa tambatambazana (Cet enfant cesse de pleurer quand on le caresse) ~ Notambatambazan' ny namany izy ka izany no nahasimba izy (Il a été cajolé par ses camarades, et a été ainsi gâté) [Abinal 1888]
 qu'on cajole, qu'on flatte [Hallanger 1974]
Endriteny 
tambatambazana
tambatambazako
tambatambazanao
tambatambazany
tambatambazantsika
tambatambazanay
tambatambazanareo
tambatambazan'
tambatambazan-
tambatambazam-
tambatambaza-
notambatambazana
notambatambazako
notambatambazanao
notambatambazany
notambatambazantsika
notambatambazanay
notambatambazanareo
notambatambazan'
notambatambazan-
notambatambazam-
notambatambaza-
hotambatambazana
hotambatambazako
hotambatambazanao
hotambatambazany
hotambatambazantsika
hotambatambazanay
hotambatambazanareo
hotambatambazan'
hotambatambazan-
hotambatambazam-
hotambatambaza-
tambatambazo
Ohatra 
1Ary raha izao isika vaventy manao ny raharaham-panjakana izao tokoa, tsy azo tambatambazana. [Razoharinoro: Soratra, takila 204]
2Tsy maintsy ampandroina sy borosiana amin' ny ranon' Anisizato ny soavaly ka tambatambazana tsara ery sao mandaka. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 171]
Teny nalaina 

2017/07/05