Fizahan-teny

Ohabolana : tambatambazana

Ohabolana 1Aza atao fively ampongalahy ny havana: ny ambaviny tambatambazana, ny andahiny dobodobohana. [1.1 #71]
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny ambaviny tambatambazana toy ny manana anaka, fa ny andahiny dobodobohina ho afa-jaza. [2.558]
Aza atao fively amponga ny havana: ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray kosa andahiny hodobodobohana. [2.165 #225]
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana. [1.1 #60]
Fanazavana malagasyTsy tokony hasiana fiangarana ny fitiavan-kavana. [1.1 #71]
Dikanteny frantsayNe faites pas à vos amis comme à un tambour, frappant légèrement sur l' un des côtés, mais très fort sur l' autre. [2.165]

Ohabolana 2Aza sain-jaza midongy, ka tambatambazana vao mametra-beloma. [2.558 #810]

Ohabolana 3Ny anankiray tambatambazan-kambakaina, fa ny iray hodian-tsy hita nefa lalaina. [2.558 #2866]
Ny anankiray tambatambazan-ko ambakaina; ary ny anankiray hodian-tsy tiana, nefa lalaina. [2.653 #2150]
Ny iray tambatambazan-kambakaina, ny iray mody tsy tian-kolalaina. [2.165 #504, 2.415 #4935]
Dikanteny frantsayOn cajole l' un pour pouvoir mieux le tromper, et l' on fait semblant de ne pas aimer l' autre pour provoquer une affection plus grande. [2.165 #504]
On caresse l' un pour mieux le tromper, et l' autre fait semblant de ne pas être aimé pour l' être davantage. [2.415 #4935]

Fizahan-teny