Teny iditra tami > tamika
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitsihan' ny rano kely dia kely mivoaka amin-javatra (vato, fefiloha) [1.1]
 Fitsihana [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Suintement de l'eau à travers des matières poreuses [1.13]
Sampanteny 
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Teny iditra tami > tamina (tamy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asiana tampoka, idirana ankeriny: Notamin' ny sasany ny tranon-dry Rakoto any ambanivohitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be dug through, to be broken into [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Où l'on pénètre de force, qu'on attaque à l'improviste [1.3]
 Qu'on perce en creusant le mur, où l'on fait effraction [1.8]
Ohatra 
1Notamin' ny tontakely ny tranonay (Les voleurs ont pénétré dans notre maison) [1.3]
2Notamin' ny fahavalo ny tanàna (Les ennemis pénétrèrent dans le village) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tamina, tamiko, taminao, taminy, tamintsika, taminay, taminareo, tamin', tamin-, tamim-, tami-
Ny lasa : notamina, notamiko, notaminao, notaminy, notamintsika, notaminay, notaminareo, notamin', notamin-, notamim-, notami-
Ny hoavy : hotamina, hotamiko, hotaminao, hotaminy, hotamintsika, hotaminay, hotaminareo, hotamin', hotamin-, hotamim-, hotami-
Filaza mandidy : tamio
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 

Fivaditsoratra 

Teny iditra tami > amy
Sokajin-teny mpampiankin-teny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Teny mpampiankina mampiankina matoanteny na anarana amin'ny famenony, ka milaza:
a) fitaovana enti-manao asa: manoratra amin'ny penina.
b) fomba: mihira amin-karavoana.
c) fotoana: miainga amin'ny fito maraina.
e) olona itenenana: miresaka amin-dRakoto.
f) fiarahana: miaraka amin'ny amboalambo; vary amin-dronono.
g) faritra: mandray zaza amin'ny sandriny.
h) fanamarinana ny hoe: araka ahy, araka anao...; amiko tsisy vidiny ny vola azo amin'ny tsy rariny.
i) toerana: hisakafo any amin'i dada izahay anio; (marihina fa raha milaza toerana ny amy dia tsy maintsy ialohana mpamaritra matoanteny milaza toerana mandrakariva koa: eto, eo, any, atsy...: mivory atsy amin'ny ben'ny tanàna ny loholona) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used before ny, as amy ny, or amin' before a vowel. With, in, at, to, from, etc. In past tense, tamy, When, on, among, from, etc. The prepositional prefixes a-, am-, an-, appear to be contractions of this word, and form a large number of prepositional phrases. Amy is used after nearly all intransitive verbs when governing an indirect accusative. [1.2]
 Preposition with an all-purpose meaning depending on context: with, at. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Préposition dont le sens dépend du contexte: avec, à, en. [1.8]
 Avec, dans, à, de, en, chez. M [...] [tohiny 1.5]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : amy, amiko, aminao, aminy, amintsika, aminay, aminareo, amin', amin-, amim-, ami-
Ny lasa : tamy, tamiko, taminao, taminy, tamintsika, taminay, taminareo, tamin', tamin-, tamim-, tami-
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Teny iditra tami > amy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza fitafiana mihaja fenti-mihaingo [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Costume, tenue militaire; par extension: toilette, parure [1.3]
Sampanteny 
 

Fivaditsoratra