Teny iditra tandremana (tandrina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Afantoka aminy ny saina amana eritreritra: Tandremo tsara izay soratanao, fa ny soratra mijanona
Ambenana, andrasana, karakaraina mba tsy hisy simba: Tsy notandremanao tsara ny akohokely ka nisy latsaka tao am-pantsakana
Arahina, tanterahina: Raha te ho voavonjy ianao, tandremo ny didy
Atao izay tsy hahavoa ny tena: Tandremo sao solafaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be cared for, to be looked after; to be the objet of precautions [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Dont on prend soin, qu'on surveille; qu'on manipule avec précaution, à quoi on fait bien attention [1.8]
Ohatra Ny farany, nitanisa ny fady tsy maintsy tandremana. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tandremana, tandremako, tandremanao, tandremany, tandremantsika, tandremanay, tandremanareo, tandreman', tandreman-, tandremam-, tandrema-
Ny lasa : notandremana, notandremako, notandremanao, notandremany, notandremantsika, notandremanay, notandremanareo, notandreman', notandreman-, notandremam-, notandrema-
Ny hoavy : hotandremana, hotandremako, hotandremanao, hotandremany, hotandremantsika, hotandremanay, hotandremanareo, hotandreman', hotandreman-, hotandremam-, hotandrema-
Filaza mandidy : tandremo
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20