|
|
|
|

Teny iditra1  tandremana
Fototeny  2  tandrina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Afantoka aminy ny saina amana eritreritra: Tandremo tsara izay soratanao, fa ny soratra mijanona
Ambenana, andrasana, karakaraina mba tsy hisy simba: Tsy notandremanao tsara ny akohokely ka nisy latsaka tao am-pantsakana
arahina, tanterahina: Raha te ho voavonjy ianao, tandremo ny didy
Atao izay tsy hahavoa ny tena: Tandremo sao solafaka
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] to be cared for, to be looked after; to be the objet of precautions
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] dont on prend soin, qu'on surveille; qu'on manipule avec précaution, à quoi on fait bien attention
Ohatra  7  Ny farany, nitanisa ny fady tsy maintsy tandremana. [2.472]
Haiendriteny 
8  Ny ankehitriny :
9  Ny lasa :
10  Ny hoavy :
11  Filaza mandidy :
Kamban-teny 
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny tandremana io

Fivaditsoratra  14  anendratam, manendrata, tandremana

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21