Teny iditra (1/2) | 1 tandroka |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Zavatra mafimafy toy ny taolana mipoitra eo an-dohan' ny biby sasantsasany toy ny omby, ny osy,... ka ataony fiadiana sy hiarovany tena amin' ny fahavalony |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] a horn |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8, 1.13] corne 6 [1.196] Cornes des animaux Pour les plantes, fruits ayant la forme de cornes : double follicule de nombreuses Apocynaceae En médecine populaire : nom des ventouses, parce qu'on faisait à l'origine, les ventouses avec la corne évidée d'un boeuf, percée à son sommet. |
Ohatra |
7 Ny trano kotona dia avo loka, be sakana, lava tandroka. [1.437#] |
Voambolana |
8 Haibiby: (amin' ny ankapobeny) |
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Anaran-toerana |
|
Ohabolana | 38 Ohabolana misy io teny tandroka io |
Tsanganana sy sary iray takila |
39 Bikan' ny tandrok' omby |
Lahatsoratra |
40 Randzavola: tandroka ao amin' ny Baiboly |
Teny iditra (2/2) | 41 tandroka |
Sokajin-teny | 42 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
43 [1.1] Olona ambony ara-pahaizana na ara-pahefana ka miahy sy miaro ny vahoaka ary mitsangana ho voninahiny: Ianareo foloalindahy no tandroky ny firenena |
Ohatra |
44 Ny faherezana hitondra fanjakana no tandroka. [2.48] |
Fivaditsoratra | 45 atondrak, tandroka, tondraka |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |