Teny iditra |
tavony
|
Sokajin-teny | anarana
|
Famaritana malagasy | Fonon' ny zaza raha mbola ao an-kibon-dreniny, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe ahitrana zandrin-jaza. (Tsy maintsy alàna tsara tsy misy hamelana ny tavony na ahitra rehefa avy miteraka, fa raha tsy izany mety hankarary; araka ny fomban' ny foko sasany dia alevina any anaty tany ny tavony; avy amin' ireo toetra amam-pomba mikasika ny tavony ireo no nahatonga ny fombam-piteny toy ny hoe: Mandihy tsy afa-tavony: mifaly ambony ihany nefa mbola misy loza mananontanona; ny tany nahalatsahan' ny tavony: enti-milaza ny toerana nahaterahana) [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | the afterbirth [Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | placenta [Hallanger 1974, SLP 1986]
|
Voambolana |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Mpanahaka |
ahitra ~
plasenta ~
zandrin-jaza |
|
Teny iditra |
tavony
(tavona)
|
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny atao tavonana
|
Ohatra | Tavony ny menaka ny mivonto [Rajemisa 1985]
|
|