Teny iditra tenenina (teny)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Avoakan' ny vava, lazaina: Teny tsy azo tenenina izany
Ambara, lazaina: Tsy hay tenenina ny zavatra nataony
Didiana, omena teny, baiko: Hoteneniko izy mba hamangy anao
Anarina na tezerana fa nanao ratsy: Teneno kely ny zanakao fa manimba ny voninkazonay amin' ny baoliny
Mitovy hevitra: baibaizina ~ bedesina ~ besobesoina ~ karamentsonina ~ kitakitaina ~ levilevena ~ terezana ~ tezerana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be reproved [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on réprouve [1.8]
Ohatra 
1"Ny fitiavana tsy tenenina no fitiavana lehibe sy ambony indrindra" (Wagner). [2.324]
2Inay izy manalava tenda izay isaky ny tenenina ary toa vara-datsaka raha mba miteny ireo zandriny ireo. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tenenina, teneniko, teneninao, teneniny, tenenintsika, teneninay, teneninareo, tenenin', tenenin-, tenenim-, teneni-
Ny lasa : notenenina, noteneniko, noteneninao, noteneniny, notenenintsika, noteneninay, noteneninareo, notenenin', notenenin-, notenenim-, noteneni-
Ny hoavy : hotenenina, hoteneniko, hoteneninao, hoteneniny, hotenenintsika, hoteneninay, hoteneninareo, hotenenin', hotenenin-, hotenenim-, hoteneni-
Filaza mandidy : teneno
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20