Teny iditra | terỳ | ||||
Sokajin-teny | ny lasan' ny tambinteny | ||||
Famaritana malagasy | Endriky ny mpamaritra erý fampiasa anin' ny lasa, entina hilazana toerana lavidavitra nefa mbola takatry ny maso tsara ary tondroina amin' ny tanana: Terý ambody hazo terý no nahitan' ny fokonolona ny fatiny [Rajemisa 1985] | ||||
Fandikana frantsay | passé de erý [Abinal 1888] | ||||
Teny iditra | terỳ | ||||
Sokajin-teny | tambinteny | ||||
Famaritana malagasy | Noho izany antony izany, teo no ho eo tsy nampoizina: Maty terý ny anao lahy ¶ Teo no ho eo, indray mipy maso [Rajemisa 1985] | ||||
Fandikana frantsay | subitement, tout à coup, à l'instant même: Maty terỳ izy (Il est mort en un instant, d'un coup) [Abinal 1888] | ||||
Teny iditra | tery | ||||
Sokajin-teny | mpamaritra | ||||
Famaritana malagasy | Tsy malalaka ka toy ny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy ¶ Voageja azon' ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny valahako amin' ity akanjo ity ¶ Poritra: Terin' ny vahoho ny tanany ¶ Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin' ny raharahany ny olona ~ Terin' ny volan' olona izy ka mamono tena miasa [Rajemisa 1985] | ||||
Fandikana anglisy | pressed; distressed; narrow [Hallanger 1973] | ||||
Fandikana frantsay | serré; étroit; exigu; en détresse [Hallanger 1974] | ||||
Sampanteny |
| ||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny tery io | ||||
Teny iditra | tery | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Famaritana malagasy | Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany ¶ Fanapotserana na famihinana ny tohatr' omby hivoahan' ny ronono [Rajemisa 1985] | ||||
Teny iditra | tery | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Famaritana malagasy | [Sihanaka] zozoro maina fanao trano [Rakotosaona 1975] | ||||
Fandikana frantsay | [Sihanaka] (dans le sens de : pressé). Cyperus madagascariensis (Willd.) Roem. & Schult. ( (Cyperaceae). Nom donné surtout aux exemplaires de grande taille qu'on aplatit pour faire des cloisons. D'après Rabe cité par A. Grandidier. [Boiteau 1997] | ||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |