Teny iditra (1/5) | 1 terỳ |
Sokajin-teny | 2 ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Endriky ny mpamaritra ery fampiasa anin' ny lasa, entina hilazana toerana lavidavitra nefa mbola takatry ny maso tsara ary tondroina amin' ny tanana: Terý ambody hazo terý no nahitan' ny fokonolona ny fatiny |
Fanazavàna teny frantsay |
4 [1.3] passé de ery |
Teny iditra (2/5) | 5 terỳ |
Sokajin-teny | 6 tambinteny [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
7 [1.1] Noho izany antony izany, teo no ho eo tsy nampoizina: Maty terý ny anao lahy Teo no ho eo, indray mipy maso |
Fanazavàna teny frantsay |
8 [1.3] subitement, tout à coup, à l'instant même: Maty terỳ izy (Il est mort en un instant, d'un coup) |
Teny iditra (3/5) | 9 tery |
Sokajin-teny | 10 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
11 [1.1] Tsy malalaka ka toy ny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy Voageja azon' ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny valahako amin' ity akanjo ity Poritra: Terin' ny vahoho ny tanany Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin' ny raharahany ny olona ~ Terin' ny volan' olona izy ka mamono tena miasa |
Fanazavàna teny anglisy |
12 [1.7] pressed; distressed; narrow |
Fanazavàna teny frantsay |
13 [1.8] serré; étroit; exigu; en détresse |
Ohatra |
14 ny làlana tery sady ratsy [2.113#] 15 Voageja manodidina aho sady tery [2.643#] |
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 40 Ohabolana misy io teny tery io |
Teny iditra (4/5) | 41 tery |
Sokajin-teny | 42 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
43 [1.1] Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany Fanapotserana na famihinana ny tohatr' omby hivoahan' ny ronono |
Teny iditra (5/5) | 44 tery |
Sokajin-teny | 45 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
46 [1.78] [Sihanaka]
zozoro maina fanao trano |
Fanazavàna teny frantsay |
47 [1.196] (dans le sens de : pressé). Cyperus madagascariensis (Willd.) Roem. & Schult. ( (Cyperaceae). Nom donné surtout aux exemplaires de grande taille qu'on aplatit pour faire des cloisons. D'après Rabe cité par A. Grandidier. [Sihanaka]
|
Anarana ara-tsiansa |
|
Fivaditsoratra | 49 etry, rety, terỳ, tery |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |