|
|
|
|

Teny iditra1  Tia izay tia
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo)
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4  Tselatra
5  Tselatra (Rajonah)
Tsanganana sy sary iray takila  6  Fitanisana
Lahatsoratra  7  - Izaho saonjo ery an-dohasaha, ianao tatamo ery an-kamory: mihefa ny eny mba mihefa aho, tony ny eny mba tony aho. Tsy fitia latsaka ny anay ka hanambatambazana mpitsimpona; tsy tanora diso zara ka hanohina maso-mpijery. Fa zaza mitovy tsy mifandranga trano iray lenta tsy mifaniva; tia ny any miara-tia, tsy tia ny any miara-mianjona.

- Ny fitiavana, rahavako, tsy tsipy rano miamboho ka ifanadidiavana; tsy lahi-mizana ratsy tefy ka hitongilana hiletsy ila; fa tia aho matoa manoloana, vonona aho matoa sahy lanja. Ratany: Raha hiringiringy ho tendrombohitra anefa ianao, dia hamitsaka aho fa iva; ratany: ratanyraha hitsoroadroaka ho hazo avo ianao, hikainkona aho fa fohy sandry. Fa ratany: ratanyraha mba hanao fitia mifandefitra, dia tsy aiza aho fa fandrotrarana misafosafo amin'ny tany; ratany: ratanyraha dobo mora tsobohina, dia fandiorano tsy mahafoy tany hita aho ka hilentika aminao fe ritra.


Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02