Teny iditra | 1 tongobolo |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Fitoeram-paraky (avy amin' ny teny hoe: tongotra sy volo satria tamin' ny tongotra na vodin' ny volo -- karazana volotsangana -- no nanaovana azy taloha). |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] a snuffbox, a tobacco-pouch |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] blague à tabac |
Ohatra |
6 [2.643#] Hitako ny hevitra, ondry roa no novidiko sy reniakoho telo, ary ny vakim-bola sisa nitondrako siramamy takelany vitsivitsy ho an' Ineny, sy tongobolo ho an' i Dada. 7 [2.895#] Nitsiky indray maka izy dia nangarona ilay tongobolo tandrok'omby tao am-balahany ary nitelina indraim-bava vao nahateny hoe : Hihaona hay isika ry zareo, ka ianareo be kivazivazy foana aninkeheo. |
Singan-teny | 8 tongotra, volo |
Kamban-teny |
|
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/07 |
![]() |