Teny iditra (1/4) | 1 tsangambato |
Singan-teny | 2 tsangana, vato |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an' ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony [1.1] 5 vato lehibe ajoro ho fahatsiarovana ny olona maty tany an' ady na noho antony hafa ka tsy hita ny taolambalony [1.62] |
Fanazavàna teny anglisy |
6 a gravestone, cenotaph, tombstone; a stone set up on end as a memorial of some event [1.2] 7 a monument [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
8 pierre ou monument commémoratif [1.8] |
Ohatra |
9 Vorodamba efa tontan' ny ela no misarona ilay tsangambato (A. Rajon)] 10 lo no tsangambato tsy levona mariky ny nanapahan' ny Hova azy. [2.499] 11 Maro ny tsangambato navelany izay ataon' ny olona hoe Vatonkimosy. [2.508] 12 Nanorina tsangambato teo akaikin' Ambaiboho, teo amin' ny moron' i Sahabe, ny mponin' Antsihanaka atsimo, ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana aminy namoy aina tao amin' ilay renirano manan-tantara. [2.472] |
Lohateny |
|
Sary |
|
Teny iditra (2/4) | 15 tsangambato |
Singan-teny | 16 tsangambato |
Sokajin-teny | 17 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
18 Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro lehibe na malaza tsy hohadinoina [1.1] 19 asa mendrika hotadidina sy hotsarovana mandrakariva, andro manan-daza tsy tokony hohadinoina [1.62] |
Ohatra |
20 Ny boky no tsangambato avelan' ny mpanoratra ho an' ny taranaka [1.1|1.62] |
Teny iditra (3/4) | 21 Tsangambato |
Sokajin-teny | 22 anarana (lohatenin' boky) |
Fanazavàna teny frantsay |
23 Pendant son incarcération, [Randriamaromanana] a écrit un livre Tsangambato, où il laisse des conseils, des réflexion sur la philosophie malgache, sur le pouvoir, la culture. Cet ouvrage est encore inédit. [1.59] |
Voambolana |
24 Haisoratra: boky |
Mpanoratra |
25 Randriamaromanana Albert |
Teny iditra (4/4) | 26 Tsangambato |
Fototeny | 27 tsangana |
Singan-teny | 28 tsangana, vato |
Sokajin-teny | 29 anaran-tsamirery (haitoetany) |
Voambolana |
30 Haitoetany: tanàna |
Tsanganana sy sary iray takila |
31 Fitanisana |
Fivaditsoratra | 32 Tsangambato, tsangambato, Tsangambato, tsangambato |
Nohavaozina tamin' ny 2023/08/17 |