|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  tsikitsikinao
Fototeny  2  tsiky
Sokajin-teny  3  anarana tsikitsiky sy mpisolo
Ohatra  4  Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany ! [1.291]

Teny iditra (2/2)5  Tsikitsikinao
Sokajin-teny  6  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  7  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  8  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo 
9  Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana…
10  Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany…
11  Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana…
12  Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !

13  Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana,
14  Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana,
15  Nikaloan’ny fanahiny tsantatsantam-paniriana,
16  Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana !

17  Hisy angamba amin’ireny sahy hamboraka aminao
18  Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao
19  Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany !

20  Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny
21  Ny fitia vokatr’iny mba ho raki-mandra-matiny,
22  Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany !

Fivaditsoratra  23  Tsikitsikinao, tsikitsikinao

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/07