Teny iditra Tsy manaiky aho (aiky, aho)
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy)
Mpanoratra Ramangamalefaka (Ramandiamanana Alfred), 1926/07/05
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra ...

Hariva manantena volana tamin'izay: maizina alohaloha ny toeran-drehetra. Manondro ny enina sy sasany ny famantaranandro lehibe mihantona eo amin'ny rindrina atsinanana. Indro miditra Andriamatoa Rabeza; tratra aoriana kely fa mbola naka ilay peratra volamena vao nampanaovina ny mpanefy.

Vao tonga Ndriamatoa dia velona ny kotabam-pifalian'ny vady aman-janany. Ramatoa Razay nandrehitra jiro haingana, fa maika hahita ity fihaingoana vao nampanaovina; ny ankizy kosa nifaliha-vanja eran'ny trano, ka nanantena ny hivimbinan-drainy zavatra, ka ny sasany mangarona ny paosiny, ny sasany misava ny tanany; kanjo nangaibay foana tsy nahita inoninona hatraiza hatraiza.

Ramatoa kosa dia afa-po, fa vita araka ny nitetehany azy ity firavaka sarobidy, hany ka mbola tsy foiny hampirimina akory, fa nomeny toerana manokana teo ambony latabatra, ka mbetika bikainy tazan-davitra; mbetika tomoriny dinihina hatramin'ny diam-pandraka madinika indrindra. Fa injao nikamikamina i Benja kely fa sady noana no nodonafan' ny hadisoam-panantenana; nefa ny hahamasahan'ny sakafo toa mbola ho elaela ihany. Notambatambazana, norahonana, nefa toa vao mainka mitomany ity zazakely roa taona sy tapany, tsy mahalala tsy misy.

Ny tompon'io trano nipetrahandry Rabeza io dia nitoetra tao amin'ny efitra atsinanana mifanolotra amin'ny azy ihany. Vehivavy mpitondratena efa mihodivitra ny dimy amby efapolo taona, Ramatoa Raseheno no anarany. Efa volana maro no niaraha-nitoetra ka tsy fifankazarana ihany no nisy tamin-dry zareo roa trano, fa fifankatiavana mafana koa.

Onena Ramatoa Raseheno nahare ny fitomanin'i Benja, fa fantany koa ny fototry ny ranomasopy. Efa voaloatra indrindra ny katsaka noharoana ronono tao aminy, ary te-hampanatitra ho an' ilaikely izy, nefa niahona indray satria isaky ny tolorany zava-pihinana ny zazakely dia tsy sahy mandray fa mamaly amim-pahatsorana hoe: " Talezan'Ineny laha mihinana zavatra avy aminareo! " Izany laingon-teny avy amin'ny vavan'ny tsy mba mahay ankinafinafina izany, dia ampy hamantaran-dRaseheno ny fototra mitranga lany sy ny faka miafina momba ny toe-tsain'ity renin'i Benja kely. Koa tamin'ity fotoana ity, na dia nametsovetso aza ny horakora-po araka ny maha-vehivavy azy, dia tsy sahiny mihitsy ny hanome fery anaty fo efa miahiahy azy!

Fa injao mandroso mihamafy ny anjomaran'i Benja, sady mitaraina hanoanana ity voatavo tsy mifandraka. Tsy naharitra intsony Ramatoa Raseheno: " Aoka ny Avo Indrindra sy ny fihavanana no ho vavolombeloko, hoy izy, fa homeko azy ity katsaka iray lovia ity! "

Ny tenan-dRamatoa Raseheno mihitsy no tonga nanatitra ny zavatra. Nampandroso azy tsara Razay; nefa nony natolony ny lovia, dia tsy hay nafenina ny endri-dRamatoa kely mivaloarika. I Benja kely kosa dia tsy nahalala izay angesongeson-dresaka, fa avy hatrany dia notrotroiny ny lovia, ka velona ny haron-tanana eroa ambony latabatra. Samy eo amin'ny efitra iray eo amin'izany ny mpanome sy ny notolorana.

Nahatsiaro voky ilaikely, ka nody ho azy ny toeny falifaly sy mitrifantrifana. Sendra voatsipany re ny jiro, ka niongana. Soa ihany fa tsy vaky, fa maty fotsiny!

Nikotaba ny tao an-trano, nitady ny afokasoka; nefa ny zavatra toy ireny, raha karohina amin'ny fotoana toy izao dia toa mahay miery ery! Ary loza inona, fa injao i Benja kely nihoakoaka sy toa nitsipatsipaka ao amin'ny maizina ao? Nifanaritaka ny olona eran'ny trano, ka nifampipoka be ihany ny loha, nifanitsaka ny tongotra. Ela mihitsy vao hita ilay afokasoka manadala! Ny zazakely mbola mihinjihinjy sy misanasana vava ary mivandraka ny masony

" Hanky va re, hoy Razay, tsy manaiky aho! Tena mpamosavy mandringa, ka ny eto akaiky no aripaka. Hahita vehivavy anio, fa ny zanako avy no anamparana ny haratsiana" !

Mba namitsoka araka izay afany koa Ramatoa Raseheno. Tsy ny hamonjena ity zazakely marary no ventin-kevitra, fa ny ady antsangan' izy roa vavy no nakotroka. Nde haka dokotera aza Rabeza, fa tsy navelan'ny vavy: " Efa hita fa mosavin' olona eo, ka dokoteram-patinao inona?... Rainilobo no alao, fa vao jereny fotsiny io dia samy miraraka ompana ny aretina sy ny mosavy?" Nody nanaiky hampiavy an-dRainilobo Rabeza, kanjo ny dokotera no nalainy.

Teo am-piandrasana teo dia nitombo koa ny fitanan-dRazay an-dRaseheno. Teo vao hitany fa nisy nandray ilay peratra volamena vaovao! Niantsambotra eran'ny trano izy, sady nihiaka hoe: " Odrey... (mampalahelo fa nilaozan-dRazay lalan-kerinandro ny toetry ny vehivavy mihaja, fa ningoso izy teo), odrey... fa sady mafana tanana no faingan-tanana ikala... fa nohararaotiny ilay jiro maty teo hangalarana ny peratro! Maty aho zanako sy ny peratro " I

Valiny mangotrakotraka koa no azony, ary matoa tsy rafitra nifampitolona teo izy roa, dia tsy noho ny fitandroana haja velively, fa noho izy samy matahotra: Razay moa, natahotra ity lazondazony mafana tanana; Raseheno kosa nimalo tamin'ity Razay tanora sady vory nofo!

Tonga ny Dokotera. " Tsy manaiky mihitsy aho, hoy Razay, fa tena mpamosavy azo olan-tanana tsotra izao, no sady mpangalatra papango tanana, manararaotra ny jiro sendra maty! Tsy manaiky aho! Tsy manaiky tokoa!" Tsy noraharahain'ilay dokotera ny fitarainany, fa ny marary no novonjeny. Navadibadiny teo: notsapainy ny kibony, nosafoiny ny vavany. Nony kelikely nandoa nibararaka ny zazakely. Niondrika nijery izay nivoaka avy any ny Dokotera, ka nihomehy ra, sady nanontany hoe: " Iza tokoa ianareo no nanome zavatra tsy fihinana ity zazakely ity? fa saiky loza raha tsy voavonjy " .

Hoatra ny hety rano no finantsanantsan-dRazay. " Tsy efa voalazako anao ve, fa ikala molo-mpamosavy resy io ihany! Hahita vehivavy ity anio" ! Sady nde horaotiny Ramatoa Raseheno fa nosakanan'ny olona.

" Iaraho mijery àry, hoy ny Dokotera, ity ody saika nanimba ny zariakareo !... Nihanahana Raseheno; nivandravandra Rabeza; nitanatana vava! Inona àry izao?

Notondroin'ny Dokotera ny tavy nisy ny loa. Indro ilay Peratra Volamena vaovao efa misolotiky ny loto! Hay tamin'ilay nahafatesan'ny jiro anikeheo no nandraisan'i Benja ny peratra, nataony am-bava, ka nikodia tany an-tendany nihorirana tao, tsy afa-nandroso, tsy afa-nihemotra. " Ny niteraka azy ihany no namosavy ny zaza, hoy ny Dokotera " !

Anjaran-dRaseheno kosa ny niventy ny "Tsy manaiky aho! Efa nitana ahy ho mpamosavy; efa nihazona ahy no mpangalatra, ka tsy manaiky aho raha tsy tonga any amin'ny fara fanaperana. Ary ho fanombohana ny kilalao, dia mialà miaraka amin'ny vava eto amin'ny tranon'ny mpamosavy sady mpangalatra" !

Nifompona, nandady tongotra aman-tanana Rabeza mivady fa tsy azo nahodina Ramatoa Raseheno.

Tsy dokoteran'aretina ihany anefa ilay lehilahy, fa dokoteram-pihavanana simba koa, ka nomeny ny fanafody: " Ela nisarebahana ny lambam-pihavanana Razay, ka izao vao vaky fa nikotrika ahiahy olona, ary na fitiavana mangarangarana toy itony aza dia voatombantombana ho famosaviana! Izay fatra-piahiahy mpamosavy, hoy ny Ntaolo, ka dia mpamosavy Razay! iray io!

" Raseheno kosa, mendrika ny satro-boninahitry ny fitiavana tokoa; saingy nony sembana, tsy azo ifonana; nony tohina, tsy mety mamela heloka. Ny toy izany no voalazan'ny Razana hoe, to fo, ary ny fo to, hono, mpamosavy, Samy mpamosavy ianareo roa tonta, ka tsy manaiky aho" ! Niaraka nifampitopy ny maso rehetra tao an-trano, samy nitsiky ny molotra. Nifandray tampotampoka ny tanan'izy roa vavy, nifamihina.

Sitrana tamin'ny aretim-panahy Razay, ka niaiky fa ny ahiahy no tena mpamorika, mpamono mahafaty ny fifankatiavana!
[Akon' Iarivo, 1928/07/26]

...


Nohavaozina tamin' ny 2023/10/20