|
|
|
|

Teny iditra1  valaka
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Mahatsiaro tena ho reraka noho ny hery lany nampiasaina; trotraka; kotra: Valaky ny asa tany Rabe. (Tsara homarihina ny mahasamy hala ny hoe: "sasatra, vizana, valaka ary trotraka": ny hoe "sasatra" dia ilazana fahatsiarovan-tena ho reraka noho ny fahenjanan' ny hozatra indrindra: Sasatry ny miandry; ny hoe "vizana" kosa dia noho ny tsy fiovam-pihetsehana indrindra: Vizan' ny mihorirana ny marary; ny "valaka", dia noho ny hamafisan' ny asa: Valaky ny asa tany izy, ary ny "trotraka", mitovy hevitra amin' ny valaka ihany saingy mafimafy kokoa indray)
Fanazavàna teny frantsay  4  [1.3#804] fatigué, épuisé, harrassé
figuré: dont le poids ne suffit pas, inférieur
Sampanteny 
5  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Ohabolana  10  Ohabolana misy io teny valaka io

Fivaditsoratra  11  kalava, lavaka, valaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21