Teny iditra valiana (valy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Omena valiny (taratasy na fanontaniana): Valio anie ity taratasy ity raha vao voarainao e!
Setrena: Tsy tokony ho novalianao ratsy ny soa nataoko anao
Omena valin-teny tsy amim-panajana, toherina: Tezitra tokoa aho ka novaliako mafy izy [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : valiana, valiako, valianao, valiany, valiantsika, valianay, valianareo, valian', valian-, valiam-, valia-
Ny lasa : novaliana, novaliako, novalianao, novaliany, novaliantsika, novalianay, novalianareo, novalian', novalian-, novaliam-, novalia-
Ny hoavy : hovaliana, hovaliako, hovalianao, hovaliany, hovaliantsika, hovalianay, hovalianareo, hovalian', hovalian-, hovaliam-, hovalia-
Filaza mandidy : valio
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20