|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  vondrona
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 [vondroña] [Bara] andiany [1.78]
4 Fitambaran-javatra mikambana ho antontany iray na ho amboara iray
5 Fitambaram-piangonana na firaisam-pokontany vitsivitsy iray fileovana (ity faharoa dia matetika atao hoe fivondronana) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6 groupe [1.3#854, 1.5#339]
7 réunion, agglomération [1.3#854]
8 ensemble [1.5#339]
Ohatra  9  Misy filoha ny isam-bondrona. [2.472]
10  olona tsy andairan' ny tsindry aloka ataon' ny matanjaka sy ny vondrona politika sasany. [4.27#]
11  Ny hevitry ny Vondrona Eropeana dia sady manjavozavo no miovaova, tsy miombon-kevitra mantsy ny mpikambana ao. [4.27#]
12  Hanjary toa entam-bondrona, ka mievotrevotra tsy hahavaky tratra antsika mianakavy. [2.245]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  24  Fikambanana 31 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)25  vondrona
Sokajin-teny  26  anarana
Fanazavàna teny malagasy  27 Zavamaniry fandrary ho tsihy na harona ary ahazoana lavenona mamimamy toa sira (sira vondrona) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  28 [Merina+Betsileo] (sens général : réunis en groupe). Typha angustifolia L. (Typhaceae). Appelé en français : Massette ou « Jonc de la passion ». La souche jeune est consommée comme légume après cuisson. Les tiges servent en sparterie pour faire des nattes grossières. On les brûle pour obtenir un sel par lixiviation des cendres, le siravondrona, utilisé en cuisine et pour rembourrer les coussins. Cette plante a donné son nom à la montagne dite Ambondrombe [1.196]
Ohatra  29  Ny sira dia nosoloina sira vondrona na sira hazo. [2.472#114]
30  ny ranon-davenona andorana ny vondrona, dia tanehiny ny olona atao sira amidy any an-tsena. [2.48#185]
Sampanteny 
Mpamaritra :
Voambolana  32  Haizavamaniry: amin' ny ankapobeny
Kamban-teny rehetra  33  Fikambanana 5 amin' io teny io
Anarana ara-tsiansa 

Nohavaozina tamin' ny 2026/02/26